Losifera (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa tena mahatsiravina
Toa tena mampataotra
N'y mahita ity fanjakana iray
Tsy any an-danitra ary tsy eto an-tany izany
Andrenesana KIAKA
Andrenasana hehy
Misy DEVOLY sy MPANOTA maro be
Ireo vehivavy izay mifatotra
Tsy misy mpiaro ka mi KIAKIAKA
Lanonam-be foana
Andrenesana mozika
Lanonam-be foana
KIAKA DIABOLIAKA
Io losofera eo afovoany
Ilay anjely mainty izay namadika
Ny miaramilany etsy andaniny
Mitotorebika sy faly aok'izany
HARD ROCK , HEAVY METAL
No ré manako mandritry n'y alina
Raha izany no fiainana
Ho tantinao ve sa tsy ho tantinao izany .....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 1888
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/09/2014 19:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753