MIFONA AHO (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIFONA AHO

Mifona aho ry Raiko tia
Fa nanota teo anatrehanao !
Zanaka adala aho tsy mendrika ny hoe zanakao
Mifona aho, mivalo Aminao

Inty ny zandrinao Jesoa !
Mifona mitalaho Aminao
Nandao Ilay lapa fiadanam-pitiavana
Raiso re toy ny Mpanomponao !

Mifona aho ry Raiko o !
Havaozy hifikitra Aminao !
Sakambino aho hiara-dàlana Aminao
Arovy aho mba tsy hisaraka Aminao !

Hitalahonay Aminao
F’Ianao Jesoa dia tsy mahafoy anay
F’izahay no mafy loha, miodina foana Aminao
Hazony re ! tsy handao intsony Anao !

A/C : RAKOTONDRAMANANA Noelson
©Kanton’ny Fanantenana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Hits : 246
Likes : 0 Like
Created by : Jstone
Date : 02/08/2022 00:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785