Dada o (Joy K)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia mbola ho tsinjonay ihany ve?
'Lay Rainay nanolokolo nanabe
Dada ô mba aiza re?
Ianao hatram'izao tsy hita tsy re.

Dia ho tanteraka ve ilay teny?
Fa izahay dia ho kamboty Ray sy Reny
F'efa nialoha lalana ny Neny,
Raha izay no lahatra moa tsy maintsy ho ekena.

Ref:
N'aiza toerana izay misy anao
Na mbola eto na lasa nandao
Dada ianao am-ponay.
Ory tokoa izahay zanakao
Fa lehibe ireo soa vitanao
Embona mahatsiaro anao,
Dada ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joy K
Vangy : 621
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 02/07/2022 09:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5673