You are here: home > Tononkira > Iraimbilanja

Ikopa (Iraimbilanja)

Teraka Ankaratra
Mandady ny sisaony
Milalao ny lemak’Iarivo, Betsimitatatra
Ikopa
Manao fotoana
Amin’ny sakaiza fahazaza
Betsiboka no akama
Akaikin’i Maevatanana
tononkira.serasera.org
Ikopa
Tonga namana
Vao mihamavo

Lasa mampiaraka
Hatrany Marovoay
Tanana lonaka
Tanana be vary
Ikopa
Hariva ny andro
Tsy mahasaraka intsony
Mikorina mody
Ny vinanin’i Mahajanga
Ikopa

Mpihira : Iraimbilanja
Mpamaky : 4860
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rakotoarimanana Jean Luc Dera
Tamin'ny : 29/07/2003 14:21:00
ID : 1810

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo