You are here: home > Tononkira > Tarika Hasina

ANY IANAO (Tarika Hasina)

ANY IANAO (José Hasina feat Harimanitra)

(H) Lavitra anao aho ka tsy tanty
Ny alaeloko anaty
Ny eritreritro manjeny
Toa tsy mety fa manjohy anao eny ho eny

(J) Havoana toerana maro
No mampisaraka antsika
Te hiezaka aho saingy indrisy
Fa ny saiko no alefako hiampita hamisavisa
Ny endrikao

Ref: (H) Raha vao mandre ilay mozika
(J) Raha vao nandre ilay mozika
(H) Toa eo ianTsiky dia ampyao mitanisa
(J) Toa eo ianao mitanisa
(H) Ilay toerana falehantsika
(J) Iay toerana falehantsika
(H)Nangina teo
(H) (J) Nangatsiaka (2x)

(H) Tantely saraky ny ala
Tomany mahatsiaro very
Lavitra nao ry malala
Sara-tiana toa singan'irery
Tsisy mpijery

(J) Any andro iray sy fotoana
Izaho sy ianao mbola eo foana
Ka ho diavolam-pitia
Ka hiaona ny tia sy ny tiana ho tafaradia
Ouh ouh ouh

Ref: (2x)

Mpihira : Tarika Hasina
Mpamaky : 646
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hasimbola20
Tamin'ny : 05/08/2020 11:33:31
ID : 12968

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo