TIAKO LOATRA (Hantatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako loatra ny midera anao
Ry Andriamanitra fitiavana ô
Andriamanitra avo indrindra Ianao
Nefa dia mitia anay

Naneho ny fitiavana ianao
Fony aho mbola mpanota
Maty ho ahy tokoa ny zanakao
Mba ho fanavotana ahy

Ka na iza haniratsiratsira sy hanenjika
Hanaratsy anao
Mbola asandratro ny hira
Hanoy ny fiderana anao

Ry Jehovah tomponay ô
Ho azy ireo anie nity hira ity
Haneo ny fitiavanao
Ibitsiho f’ianao koa mbola tia

Raha jereko ny lanitrao
Izay asan-dratsantànanao
Sy ny volana amankitana
Izay noforinanao

Inona moa ny olona
No hahatsiarovanao azy
Nataonao ambany kely
No Andriamanitra izy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hantatiana
Vangy : 5307
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 03/02/2004 09:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744