You are here: home > Tononkira > Hantatiana

Faly aho (Hantatiana)

Faly aho fa manana anao
Tompoko sy Andriamanitro
Ianao irery hatramin’izao
No sahy nanome toky hoe :

Aza matahotra ianao
Fa momba anao aho
Ary aza miherikerika foana
F’izaho no Andriamanitrao fa
Na dia mandrak’antitra tononkira.serasera.org
Dia tsy miova aho
Mandra-pahafotsy volo anao
Ho sahirana aho
Izaho no nanao anao
Sy nitrotro anao
Hitondra anao sy hanafaka

Raha sendra harivanao
Ity zanakao ka be ahiahy
Injao manako ao am-poko ao izao
Ilay teny mamy nataonao

Aza matahotra...

Mpihira : Hantatiana
Mpamaky : 5736
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/08/2003 15:28:42
ID : 1885

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo