ANDAO HIDERA (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifohaza ianareo izay matory , ndao hidera hankalaza ny Avo
Atsaharo ireo sorisory , fihobiana no andeha hatao!
Tsofy mafy ny antsiva, tendreo ihany koa ny valiha!
Venteso mafy ny hira , hira fiderana , hanako eran-tany , haneho fanajana!

Koa faingana ianao hidera ny avo haneho fanajana
hankalaza Ilay Andriamanintsika fa masina!
Dia izay rehetra manam-pofon'aina aoka samy hidera hidera an'i Jehovah
Fa lehibe ny anarany mandrakizay!

Fiderana no andeha asandrato hoan'ilay Tompo sy Mpanjaka!
Fa nampitombo tsy ankiato ny fahasoavany hatramin'izao!
Tolory saotra sy dera ,sy voninahitra mandrakizay!
Ho azy irery ihany f'Izy Ilay Mahery
Nitantana antsika , tsy namela ho irery!

RANDRIANANJA Liantsoa (2022)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Vangy : 374
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rijajose
Daty : 05/01/2023 13:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2124