Ampahatsiahivo ahy (Handyh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampahatsiahivo ahy ny andro sy ny taona
Ampahatsiahivo ahy ilay fotoana
Fa raha adinoko tsy tsaroko Mba lazao ahy mba ho enoiko
Ampahatsiahivo ahy ny ora laniko
Ny lalana izay nodiaviko
Fa raha adinoko tsy tsaroko
Mba lazao ahy mba ho enoiko

Refrain:
Fa raha toa aho ka tsy mivaky loha
Dia tsindromy amin'ny fahatsiarovako
Ampahatsiahivo ahy ireo alina niaretako
Ny gitara sy ireo tabatabako
Ampahatsiahivo ahy ny anton'ny hivelomako ouh!ouuuuuuh!ouhouh!ouhouh!

Dia tantarao ahy ireo zava-bitantsika
Hatraiza moa ilay fitiavako mozika
Dia ampahatsiahivo ahy ireo nofy laliko
Sy ny adalàna vita teo aloha

Refrain : (x2)

Ampahatsiahivo ahy ny andro sy ny taona

Auteur - compositeur : Lova Mamisoa
Arrangeur : Dara gitara (Rahery) et Mr Mamy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Handyh
Vangy : 253
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lovamamisoa2
Daty : 30/11/2022 10:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0969