Ho malalanao (Handyh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiko ianao anilako eo
Hamihina ahy, hitantana ahy
Ka ho antsoiko hoe malalako, ilay silampanahy
Fa na tsy tena tia ary ianao, hiafiko ihany, hiafiko hatrany
Fa fotsiny hoe mba ho ahy irery ianao e, ho ana irery ihany

Bridge:
Fa tafalatsaka aminao, mila ilay fitiavanao
Efa ela ihany no nifankalalana, tsy aleo ve miaraka

Refrain:
Fa ny ho malalanao no mba tiko, ny eo anilanao no faniriko
Raha lavitra anao aho, dia toa mijalijaly, ny eo akaikinao ihany no mampifalifaly
Ny ho malalanao no mba tiko, ny eo anilanao no faniriko
Raha lavitra anao aho dia toa mijalijaly, mbola hafa ihany hoy aho ilay misy mampifaly

Ianao nefa tsy maika ny amin'izany
Toa tsy miasa saina, tsy miraharaha
Mpinamana mpinamana ihany, no asesinao ahy
Ka aleoko ihany mitia mangina, eo anilanao, f'izay no azo atao
Raha ny vetsom-po sy fanirina e, dia ny hiaraka aminao

HANDYH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Handyh
Vangy : 355
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lovamamisoa2
Daty : 30/11/2022 07:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738