TSY MORA NY MITADY VOLA (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fa hono oa ry Akama, miasa ve ianao?
Miasa tena miasa sa variana milalao?
Hitady vola ve, dia variana mandehandeha
Asa fivelomanao ve ataonao Kilalao.

Ny Asa izay anie ahazoana vola
Izay hozatry ny fiainana isan'andro
Vao mangiran-dratsy ianao no mikarama
Alim-pody ihany koa,  vao mahita izay mahasoa..ie!... ie!... ie!... ie!

Refrain.......
Fa tsy mora anie  mitady vola e ..
Miasa ianao raha Te hidola
Mitady vola anie tsy vita mora e...  
Nefa ny mandany azy moramora

2- Hoantsika rehetra rehetra, ao @fianakaviana .
Mba lanjalanjao re izato zavatra vidiana
Na lamaody, na sakafo..., na ny revy, na ny hafa
Na dia hita fa hoe tiana aza, Dia asio vinavina.

Tsembotsemboka ery ianao vao mahazo vola.
Indrindra moa rah tsy ampy ny ao antokan-trano.
Vao mangiran-dratsy ianao no mikarama..
Alim-pody ihany koa, vao mahita izay mahasoa... ie!... ie!... ie!... ie!...

               A/C:    Alban Randriarimalala
                           Michael Andrianarivelo
--------
Link:
Comments
Alban Randriarimalala ( 31/01/2024 07:45)
Tena tsara ary Mankasitraka anareo mpikarakakara e...
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Hits : 234
Likes : 0 Like
Created by : Alban Randriarimalala
Date : 31/01/2024 07:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0814