Asandrato avo re ny hiranao (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Asandrato avo re ny hiranao
Ka derao ilay Mpanjaka lehibe
Izay namorona izao tontolo izao
Tamim-pahendrena be.

2 Dia saino ny ataon’ny vorona
Izay mahalala mankasitraka
An’Andriamanitra, Mpamorona
Andro aman’alina.

3 Mba derao zao Andriamanitra
Izy no nahary sy namelona,
Ary na marary na finaritra,
Izy no Mpanohana.

4 Lehibe tokoa ny fitiavany:
Ny Malalany nirahiny tety
Mba hanandratra anao ho zanany
Ho mpandova ny ery,

5 Tompo Izy, ka atero hasina,
Vola sy harena Azy rahateo
Ianao no sitrany ho raisina;
Manolora tena re!

Fiv Saotra! Hira fideràna,
Saotra! Atolory Azy
Saotra! Hira fanajana
Aoka ho an’Andriamanitra
Saotra! Hira fanajana
Aoka ho an’Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANA
Vangy : 5633
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rado6185
Daty : 02/01/2015 12:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2347