Hanaraka anao (FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vonon-kanaraka Anao aho Jesosy ; satria tia ahy Ianao
Nefa ombay ny elatrao , f’andrao tsy tafita an-dalana
Lavitra mantsy ny lalana hombako vao tody any Aminao
Nefa raha ny herinao no hialàko ,dia ho potraka aho

Duo
Na ho sarotra aza ,izato lalana
Ny aty moa efa lasa ,tsy hay sakanana
Tiako hatriny ela,izany ny hoe tonga ary!
Fa raha ny ho tavelà ,dia atao sanatria

Mahery loatra ny onja ny rano ,ka mila hanafotra ahy
Izay loza mety hitranga ,sakano fa te ho avotra aho
Tsy ho ela akory dia tonga ity sambo ry Jeso Kapiteny
Mino aho fa rehefa avy eo dia ,hiantsona an-tseranana Eny

Duo
Na ho sarotra aza ,izato lalana
Ny aty moa efa lasa ,tsy hay sakanana
Tiako hatriny ela ,izany ny hoe tonga ary!
Fa raha ny ho tavelà ,dia atao sanatria

Lavitra mantsy ny lalana hombako vao tody any Aminao
Nefa raha ny herinao no hialàkooooooooooo, dia ho potraka aho!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema)
Vangy : 643
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Finoana15
Daty : 12/11/2019 18:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747