MBA SAINO IHANY (FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azavari-bariana @izao fiainana mandalo izao
Na koarevon-drevon'ny fafinaretana eto ianao
Manam-petra ihany anie ny fiainana eto an-tany
Koa mba saintsaino ihany izay hiafarana
Manomboka izao ;mibebaha ianao !!
Mba tsy hanenina raha ho avy ny androhiavian’ Tompo
Ilay ora iray ,tena sarobidy !antoky ny fiainana
Mandrakizay koa mahaiza mifidy fa ny vola tsy angidy

Ref 1
Araraoty hatrany ry zareo, ny andro havelomanareo
Hitoriana teny ho any olona very
Fa mbola marobe anie izy ireo ,no tsy mba nandre izay re nareo
koa mandehana torio ny filazantsara

JESOSY Tompo raha nandao ny lapa tsy mba noterena
Fa an-tsitra-po tsy nananany izany fitianan-tena
Fa nandao ny seza fiandrianany IZY ho ety an-tany
Mba ho famonjena ilay ondry very tao Edena
Ho antsika rehetr’izao :ny ranalatsany
Fa tsy natokany hoe hoan’Israely ihany
Ilay kapo-karavasy ,nihatra tamin'ny vatany ,ny satro-tsilo
Niaretany hatrany mba ho fanehoany
Ilay fitiavany tsy manam-petra .

Ref2
F’isika rehetra izao nyt anjona e,
hiara-hiakatra am-pifaliam-be
hitsena AZY eny amin'ny rahon'ny lanitra
fa tsy misy foiny ho very e, na dia iray akory aza e.
satria vidin-dràny ny olombelona eto an-tany .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema)
Vangy : 830
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Finoana15
Daty : 25/11/2019 23:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726