RY TOMPO ANDRIAMANITRAY O (FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo Andriamanitray o
Misaotra Anao tokoa zahay
Fa efa notahianao
Ka tratra izao anio izao
Na teo aza i satana ;nikasa mafy mba handrava
Ny sandrinao no niahy ,ny masonao koa mizaha

REF
He dera laza hery haja ; ho anao ryTompo tia
Ny vavako no hanambara ,zao asanao mahagaga
Na teo aza i satana ;nikasa mafy mba handrava
Ny sandrinao no niahy ,ny masonao koa mizaha

Ry Tompo Andriamanitray o !
Misaotra anao tokoa zahay
Fa efa nofohazinao ;ka tonga mpino toy izao
Na teo aza ireo sakana ;nanelingelina nanakana
Ny vavanao no niantso ny teninao koa nambabo

REF
He dera laza hery haja ; ho anao ryTompo tia
Ny vavako no hanambara ,zao asanao mahagaga
Na teo aza ireo sakana ;nanelingelina nanakana
Ny vavanao no niantso ny teninao koa nambabo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FFB (Feo Fanantenan'i Betlehema)
Vangy : 974
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Finoana15
Daty : 25/11/2019 23:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815