You are here: home > Tononkira > Feon'ny fiderana

HIROSO NY DIA (Na dia teo aza ireo) (Feon'ny fiderana)

Na dia teo aza ireo ady sy onjam_piainana
Na dia teo aza ireo seho fitaintainana
Aretina maro niseho,nanimba nampitoreo
Tsy kivy izahay f'ianao no herinay

         Tsy kivy izahay,hijoro tena sahy
         Hanompo anao @ tena fo fanahy
         Hizara hiazakazaka hitory hampiely
         Ny fitoriana anao Jesoa no atao mahery
         Na devoly na satana tsy ataoko hahatana
         Ka ny tanjonay ry Ray hampiray
         Dia tanteraka ilay mandrakizay

Na dia teo aza izany,ianao nitantana hatrany
tononkira.serasera.orgNa mangidy na mamy ny tananao mitsotra hatrany
Nampiakarinao,novimbininao
Ny fanahin'ireto zanakao
Faly izahay f'ianao no mitantana anay

          Tsy kivy izahay,hijoro tena sahy
          Hanompo anao @ tena fo fanahy
          Hizara hiazakazaka hitory hampiely
          Ny fitoriana anao Jesoa no atao mahery
          Na devoly na satana tsy ataoko hahatana
          Ka ny tanjonay ry Ray hampiray
          Dia tanteraka ilay mandrakizay


                                                                      A/C:  Fano

Mpihira : Feon'ny fiderana
Mpamaky : 107
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tiavinannie
Tamin'ny : 01/04/2022 18:50:43
ID : 14063

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo