ISAN’ANDRO AHO (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

https://tononkira.serasera.org/hira/feo-mahafaly-ny-ziona/isanandro-aho

ISAN’ANDRO AHO  -  FEO MAHAFALY NY ZIONA

Isan’andro aho dia mandray avy Aminao ireo fahasoavana
Isan’andro aho mahatsapa hatramin’izao Ilay Fitiavanao
Isan’andro aho dia indro omenao ahy Lay anjara fahazavana
Taratry ny haleben’ny hasoavanao ry Tompo be Fitiavana

Ref :
Tsy azo ampitahaina amin’izay nomenao ahy
Anefa Tompo zay mba avy amiko
Zaraiko ny namako na zay nomeko ny hafa koa
Samy tsy Tsiky dia ampymahasoa
Indrindra Tompo oh ; ra(ha) ny fitiavanao ahy
Mahatsiaro menatr’aho
Fo sy molotra feno loto no indro asetriko Anao

Reo tombon’andro izay mbola omenao ahy indray
No iriko hanaovan-tsoa
Fa adidinay raha velon’aina koa ny mba hifanasoa
Ho alavirinay reo toetranay mahatonga hankahala Ilay Mazava
Taratry ny haleben’ny hatsaranao ry Tompo be Fitiavana
Ref : …

T&F : RAVELOSON HERILALAINA

**************FMZ**************

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Mpamaky : 88
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mamybernard
Tamin'ny : 24/07/2020 22:00:52
ID : 12910

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo