IA IE ANDAO !! (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

Mifalia fa ambara aminao ny famonjena
Mifalia fa miposaka aminao ny mazava
Mifalia fa Izy Jeso dia tia anao
Mifalia fa Izy tsy mba mandao anao

Ia ie andao e! Hifaly ny ambany lanitra
Hifaly hiantsa ; Hidera an’Andriamanitra
Doboy ny aponga ; Ny antsa no aoka hisandratra
Ny fo sy fanahy ; Hisaotra Azy fatratra

Ia ie andao e! Hifaly ny ambany lanitra
Ia ie andao Tsiky dia ampye! Hidera an’Andriamanitra
Ia ie andao e! Ny antsa no aoka hisandratra
Ia ie andao e! Hisaotra Azy fatratra

Fa lehibe tsy ritra ny indrafon’Andriamanitra
Fa feno sy mihika ny fitiavany maharitra
Sy mahatoky Izy ; tsy miova omaly anio mandrakizay
Ka mamy eri sy tena fy ilay Fitita nasehony
Lalalalalalalala  Lalalalalalalala  

T&F : RAVELOSON HERILALAINA

**************FMZ**************

Mpihira : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Mpamaky : 124
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mamybernard
Tamin'ny : 24/07/2020 22:02:21
ID : 12901

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo