You are here: home > Tononkira > Farakely

Ny fitiavantsika (Farakely)

Raha misy ny tiko, dia ianao ilay tokana
Masoandroko atoandro, volako ny alina
Fitia voarary, ny ahy sy ny anao
Zaza latsaka an-kady aho raha hilaozanao

Fa fo nifanaiky, ny ho doria ny antsika roa
Hoe aina no fetra, sanatria ny hisara-droa
Fa tendrin'ny Avo, tsy ho azo sakanana
Ny fitiavantsika toy ny havia sy havanana

Tsy manan-tsahala, sanatria tsy kilalao
Fitia voasedra, niharitra an'izao sy izao
Ny feony manako, reko  anaty aTsiky dia ampyo lalina
Fitia latsam-paka, fitia tena marina

Fa fo nifanaiky, ny ho doria ny antsika roa
Hoe aina no fetra, sanatria ny hisara-droa
Fa tendrin'ny Avo, tsy ho azo  sakanana
Ny fitiavantsika toy ny havia sy havanana

Fa fo nifanaiky, ny ho doria ny antsika roa
Hoe aina no fetra, sanatria ny hisara-droa
Fa tendrin'ny Avo, tsy ho azo  sakanana
Ny fitiavantsika toy ny havia sy havanana
Ny fitiavantsika toy ny havia sy havanana
Ka hiaraka isika, hiara-dàlana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Farakely
Mpamaky : 208
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : aintsoanomenjanahary
Tamin'ny : 26/06/2019 15:50:40
ID : 11837

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo