Voady (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hanaraka anao n'aiza n'aiza aleha
Eo anilanao, eo no tiako hisy ahy
Fa ny eo aminao no hatsapako izany hasambarana
Mba satriko foana, ho eo akaikinao
Ka handre hatrany ilay feonao
F'izay lazainao no hatsapako ny tena fitiavana

Izay jereko toa miendrika anao
Tena fy ery zany tantananao
Hiara-dalana tsy hifandao
Hiray fo, hiray safidy, hiray saina aminao

F'ianao ihany, ianao
Ho anao irery akia no voadiko izao
Tsy anio ihany izany, matokia
F'ianao ihany, ianao
Ho avy iray niarahantsika atao
F' ho tia sy hanaja anao ho doria

Tiako mba ho anao n'inon'inona atao
Ny tontolonao hifameno amin'ny ahy
K'izay fiainanao no ekeko ho lasa fiainako

Izay jereko toa miendrika anao
Tena fy ery zany tantananao
Hiara-dalana tsy hifandao
Hiray fo, hiray safidy, hiray saina aminao

F'ianao ihany, ianao
Ho anao irery akia no voadiko izao
Tsy anio ihany izany, matokia
F'ianao ihany, ianao
Ho avy iray niarahantsika atao
F' ho tia sy hanaja anao ho doria

Ekeko tsy ho mora no ho lalovana
Tsy ho taitra sanatria tsy hanahy
Fantatra fa eo ianao foana hiaro ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 8843
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : mifab
Daty : 23/08/2018 12:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729