You are here: home > Tononkira > Farakely

Samy tiako ianareo (Farakely)

Hmmm...!!!
Ny ahy angeh ny mozika efa fiainako.
Samy ilaiko sy tiako ianareo.
Tsy misy lavitra ahy, namako akaiky ahy.
Ilazako izay tena fiainako.
N'inona n'inona manjo sy ny fifaliako.
Samy ato am-poko
Réf: Na ianao, na izy lavitra ahy.
Tena banga loatra aho.
Raha ny iray aminareo no tsy anilako eo.
Na ianao, na izy lavitra ahy.
Tena banga loatra aho.
Raha ny iray aminareo no tsy anilako eo.

Samy namana tiako mpanafosafo ahy.
Mélodie mampiTsiky dia ampytony, mampitraka fanahy.
'lay fitiavanao mitondra hery ho ahy.
N'inona n'inona mitranga na hisy ahy.
Tsy mahafoy ahy ianareo, fa malalako teo.
Mamy ho ahy.

Réf: ....

Samy tiako (samy tiako e e)
Loatra ianareo (tiako ianareo)
Tena fitia, tena tsisy asolo ato am-po.
Samy tiako (samy tiako e e)
Loatra ianareo (tiako na ianao, na mozika samy tsisy hahasolo anareo)
Samy tiako (samy tiako e e)
Loatra ianareo (tiako na ianao, na mozika samy tsisy hahasolo anareo)
Réf: ...

Mpihira : Farakely
Mpamaky : 10197
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : mpandrotsyroots
Tamin'ny : 29/07/2017 20:10:59
ID : 9794

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo