FITIA MANGINA (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fitia mangina anao
Miafina ao am-poko ao
Tsy sahiko lazaina sao
Matahotra aho ndrao dia lavinao
Efa nanao izay azo atao
Nanintona ny masonao
Hitopy aty ka hahalala
Hoe tiako ianao k’aza misalasala

Ref: Fa matimatinao
Feno anao tokoa ty foko
Raha mba mitampify kely
Eo an-tratranao ve hadisoako
Toa manonofy aho
Manantena ny tsy misy
Fa ianao toa mandositra ahy
Fa nahoana kay indrisy
(Fin) Fa nahoana indrindra iky

Raha vao mahita ny endrikao
Mirana izao rehetra izao
Tsy hay fa sarotra hazavaina
Ny tsikinao mampifaly saina
Masoandro mibaliaka teo
Nilentika tsy sahy niseho
Rehefa injay ianao tsy hita
Mangovitra aho ka tonga ny hatsiaka

A/C: ALAIN RABETRANO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 27608
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : malala3
Daty : 31/01/2017 13:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121