You are here: home > Tononkira > Farakely

Ny akaikinao (feat Laza) (Farakely)

Ny andro manjombona, na hatsiaka mamanala
Rehefa eo ianao, misinda ireny miala
Hafanana, tambitamby, teny mamy
Aleoko foana eo anilanao hatrany

Ref :
Fa ny anilanao anie ry tiana
Dia mitondra fifaliana
Raha lavitra anao, tsy hita izay atao
Ny alina toa diavolan-dava
Mbola hafa ihany, izany akaikinao izany

Rivotra mifofo, na orana mifafy
Rehefa eo ianao, toa elatra mitahy
Sangisangy, tsikiTsiky dia ampytsiky tsy hita lany
Toa satry foana ho eo anilanao hatrany

Ref :
Fa ny anilanao anie ry tiana
Dia mitondra fifaliana
Raha lavitra anao, tsy hita izay atao
Ny alina toa diavolan-dava
Mbola hafa ihany, izany akaikinao izany


Music  (Mbola hafa ihany raha ianao)

Ref :
Fa ny anilanao ry tiana
Dia mitondra fifaliana
Raha lavitra anao, tsy hita izay atao
Ny alina toa diavolan-dava
Mbola hafa ihany, izany akaikinao izany

Mpihira : Farakely
Mpamaky : 28685
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : pounakwely
Tamin'ny : 01/03/2017 18:13:04
ID : 9208

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo