Fo mifampitady (Fanja Andriamanantena)

Masoandro mivaliaka ny masonao mijery
Mangalangalatra ahy
Tsy fantatro izay dikany, fa toa mieriery
Kanefa koa toa sahy

Odiako tsy jerena odiako hangarihina
Ezahiko adinoina
Fa miherika mankany ny masoko variana
Tsiky dia ampyMiandry ny hoantsoina

Dia mifamilafila teo toa ankizy miady
No fijery anay
Kanefa ange ny fonay dia mifampitady
Efa may dia may

Ka nony vetivety voatery nifandao
Ny masony sy ny ahy
Toa banga vetivety izao tontolo izao
Verivery fanahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 3328
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 23/10/2001 21:10:44
ID : 85

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo