HIRA TSOTRA (Fanja Andriamanantena)

IZAY HIRA IZAY
NO MBA IARAHANAY
HIFAMPAHATSIARO INDRAINDRAY
FA NISY IZAY HIRA IZAY
   IZAY HIRA IZAY
   NO HAMPIFANDRAY
   NY FO SY FEO INDRAINDRAY
   HO LASA MOZIKA IRAY
FA HIRA NASIANA FEO FAHAROA
MBA HO TAMANA AO AM-PO
HO NAMANA TSY MAHAFOY ANAY
IZAY HIRA TSOTRA IZAYTsiky dia ampy
   HOTSAROANA HOTSAROANA
   RAHA MIOVA FITEmPO NY FO INDRAINDRAY
   TSY HOHADINOINA TSY HOHADINOINA
   IZAY HIRA TSOTRA IZAY
IZAY HIRA IZAY
NO FIOMBONANAY
NY TONONY AZA INDRAINDRAY
DIA MANJARY FIAINANAY
   IZAY HIRA IZAY
   NO NGONONINAY
   RAHA MAHATSIARO INDRAINDRAY
   IREO LASA NANDAO ANAY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 3522
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/03/2003 22:22:12
ID : 1532

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo