FILAZANA AN-GAZETY (Fanja Andriamanantena)

https://tononkira.serasera.org/hira/fanja-andriamanantena/filazana-an-gazety

Filazana an-gazety
No nandramany raha mety
Hampiverina ilay malalany
Fa tsy fantany izay lalany

Tapa-bolana eo ho eo
No nandaozany ny trano
Tsy hainy akory izay niseho
F’izao izy hidirana angano

Asa lahy izay ho vokany
F’ity no hany lokalokany
Hampiverina ilay malalany
HampitTsiky dia ampyodi-doha indray ny lalany

Tan-gazety tao daholo
Ny ao am-pony manontolo
Tsy henatra tsy nananan-kambo
Ny fiainany aza loza sy antambo

Tsy hita moa
Fa rehefa voa
Mimpenimpenina etsy sy eroa
Fadiranovana tokoa tokoa

Filazana an-gazety
No nandramany raha mety
Hampiverina ilay malalany
Fa tsy fantany izay lalany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 3043
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/03/2003 19:39:26
ID : 1533

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo