Maraina (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tomara-maraina e! ry lanitra iry!
Manefy ny fanantenan'ny fo, fanahy sy saina !
Fa iny masoandro, tsy mianga-pitia !
Samy omeny ny tarany ny miaina !

Ny tazon'ny omaly, dia indro misava,
vao tsenain'ny tsikin'ny androa avy eny atsinanana.
Fa tsisy toa azy lay tara-mazava,
tsy manavaka ny ory sy ny manana.

Asakasak'izay tsy hifoha,
hisakambina aretina an-doha,
tsy hitsena amin-joto, hasoava-mitosaka,
f'efa fanantenana no miposaka.

Zara manko aza, misy maraina
mbola ahafahan'ny miaina
miandrandra fa ho azony zay ilaina.

Tonony sy feo: Ny R. Fidimanantsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo Gasy
Vangy : 372
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 06/01/2023 05:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2551