Neny (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy aritro ny tsy hitanisa 'reo soa natolotrao e! Ry Neny tena mamiko,
F'izaho vao tany am-bohoka d'efa ianao no sahirana tamiko!
Nijaly sy nihafy,
niaritra ny mafy
ho an'ny taranaka,
Nisotro ny mangidy,
sy 'zay tsy finidy
ho soa ho an'ny zanaka,
Nitondra folo volana,
nisedra olana,
tsy nitaraina
noho ilay sombinaina e!
Misaotra anao ry Neny!

Na iza hilaza ho tia dia mandainga raha hahasolo anao e! Fa hafa ihany i Neny!
Satria tsy honohono fa misy porofo matoa aho miteny!
Nanome izay tiako,
nanitsy ny diako
raha diso famindra!
Tsy Iza fa i Neny
Ombieny ombieny
Ka mamiko indrindra
Ka anjara masoandro
isanandro isanandro
no iriko ho anjarany,
hameno ny tantarany
fa tena tiako i Neny!

Ny fitahian'ny lanitra anie tena homba anao ry Neny ô! Hiainanao maharitra!
Ka n'aiza, na hoviana dia enga ho salama ary koa ho finaritra!
Ho zava-tsoa sy mamy
ihany foana hatrany
no ho anao tsisy fetra!
Ho tojo zava-tiana
ka ho fifaliana
ny andronao rehetra!
Dia aoka tsy ho tsiny
raha ankehitriny
aho manolotra vavaka
sy firariana miavaka
mba ho anao ry Neny!

Angatahina anie ry Andriamanitray mahery,
Vimbino sy tantano, 'ren Reny mba tahio!
Meteza homba azy isanandro sy hijery,
Hiadanan'i Neny, ny tonom-bavany e! Valio!
Tsy hainay ny teny hahalaza ny hafaliana
Ry neninay tsy foy 'zay nikolokolo, nanabe!
Mba ho sambatra i Neny no tena irariana!
Ka tsy ho vesy maina zay nisasaranao anie!
Indro avy aminay sy i Dada ny ba mamy be!

A/C: Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo Gasy
Vangy : 576
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 06/01/2023 05:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1531