Hihavana isika (Fangia Kalo Gasy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hisy alahelo tsy ho afa-tomany e;Hisy tomany tsy hilaozan-toreo ô;
Hisy toreo horontsonina ihany e,
raha ‘zaho no ho very
tsy ho havanareo.
Ny alahelo : tsy ho afa-tomany
Ny tomany tsy hilaozan-toreo
Ny toreo horontsonina ihany
Raha ‘zaho no tsy ho havanareo
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
raha olona tiana … kanefa hafoy!
Hisy toloko hahaory tanàna e;
Hisy tanàna ho vonton-katsiaka ô;
Hisy ny hatsiaka tsy hisolo hafanana e
raha toa hifanary tsy hihavana isika.
Ny toloko hahaory tanàna
Ny tanàna ho vonton-katsiaka
Ny hatsiaka tsy hisolo hafanana
Raha toa tsy hihavana isika
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
raha olona tiana … kanefa hafoy!
Hisy alahelo tsy ho afa-tomany ô
Hisy toreo horontsonina ihany ô
Hisy tanàna ho vonton-katsiaka e
raha toa hifanary tsy hihavana isika
A/C : Ny R. Fidimanantsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo GasyVangy : 483
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 06/01/2023 04:50