Gasikara Soa (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Gasikara anie tana-mahazatra
sy fonenana soa manan-daza
Na akaiky na koa lavitra azy
Raha i Gasikara, tsy ho hay hadinoina
Ny vahiny aza mora tamana
Ka ny mponina indray ve no hiala
Gasikara dia kanto sy soa
Mahate honina tokoa

Raha toerana manan-tantara,
Fitsangatsanganana soa
Dia tsy ho lany hotononina
na ho voatanisa koa
Iarivo, io ilay Vohitsara
Toliara, tsidihin-tsy lany
Soa fianatsa ‘lay Fianara
Antsiranana koa mbola mamy
Toamasina mahatama
Fa n’aiza tsisy tsiny
Mahajanga dia tany mafana
Mahasarika vahiny

Feonkira

Itasy va re no hambara
Alaotra va re no holazaina
Dia farihy mitahiry soa
tsy ho lany halaina
F’ireo dia farihy mahazatra
Hodidinin’ny alan-jozoro
Alofan’ireo bararata
Ny hariva izy tena mijoro
Voahirana no mandravaka azy
Tatamo tsy mba vitsy
Voninkazo io raha anaty vazy
Mampaniry zavatsoa


I Gasikara anie …

Na fomba na reo kolontsaina
Na hira sy fomba fiteny
Tena miavaka nefa
dia tsy mahamenatra ireny
Fa na samy ho an-taratasy
Na ny teny, na fomba fitafa
Dia sambatra ny Malagasy
Fa tsy mba ambakan’ny hafa
Ankoatra ny fitafy lamba
tsy manana sahala
Koa ambara tsy misy hambahamba
Gasikaranay malala

Feonkira

Raha resaka zava-boary
Na biby na zava-maniry
Dia ananany sady
reo tena tsy fahita firy
Na gidro na sokatra izany
Voamboana sy ny andramena
Ny harena ao an-kibon’ny tany
Na vato na koa volamena
Tsy ho vita raha hotanisaina
F’ity no tiana hambara
Aoka handinika izay manan-tsaina
Tsy mahantra i Gasikara

I Gasikara anie tana-mahazatra
sy fonenana soa manan-daza
Na akaiky na koa lavitra azy
i Gasikara, tsy ho hay hadinoina
Koa hiraina fa tiana dia tiana
Gasikara ‘lay tany niaviana
Reharehanay mandrakizay e
Gasikara maminay

A/C: Ny R. Fidimanantsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo Gasy
Vangy : 437
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 06/01/2023 04:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716