Ry Madagasikarako (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sanatria raha hosoloiko 
F'efa dinako ato am-poko,
Ho mandra-maty e ry Gasikara ô
Fa na inona ady mazana
Ianao ry Fireneko no hany ekeko ho Tanindrazana
Fa tsy hafoiko ho very maina ho'aho
ireo nalatsaka aina 
raha nitaky 
ny handresena fanjanahana
amin'ny tolom-panafahana
Fa nafoiny hatramin'ny havana
ho porofon'ny fitiavana

 Ô ry tany sarobidy
Tsy atakalo, tsy amidy, 
Tsy hafoy e
Malagasy anie no anarako e
Ary ianao no Gasikarako
Ô ry tany tsy nindramiko ô
Gasikara tena mamiko ô
Tanindrazana malalako
Ry andrianiko tokoa ô
Madagasikara Soa
Enga hitahy anao ny lanitra
Hitsimbina Andriamanitra
Eny ho sambatra izahay sy hiadana
Ho finaritra

Manko, tolona tsy mora
Fa voakapoka voarora
Raha niady e ry Gasikara ô
Horohoro no nitranga
Nihosin-dra i Moramanga
Malagasy nihampatrampatra
Sombinaina lavom-bala,
Reo mba toky sy malala
tsy afa-niala
Sanatria raha hohadinoina
fa hipetraka hotsaroana
Handinihan'ireo zanaka
Hisainan'ny taranaka

Ô ry tany sarobidy...

A/C : Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo Gasy
Vangy : 762
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 06/01/2023 06:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124