You are here: home > Tononkira > Erick Manana

Aza ariana ny lambanao (Erick Manana)

Aiza ho aiza ry ’nao irony latsintanantsika fahiny ?
Aiza ho aiza amin’izao fa toa natakalonao dihy vahiny
Zavatr’olona ery no hi-zestiavanao ety imasony a
Ny an’ny tena indray no lazainao maha-menatra
Aoka re ! aoka re ! Aoka

Ref. : Aza ariana ny lambanao
fa tena sarobidy loatra tsy voavidim-botononkira.serasera.orgla misy hasiny a
Aza ariana maha-gasy anao
fa zanaky Gasikara tsy mba mifarirotra raha fampitaha

Aiza ho aiza ry nao no mety ahitako voanjobory lena ?
Aiza ho aiza amin’izao no misy manendinendy taovan-kena
Fa matsatsobe re ny laoka aty
Pâte, steak, Bigbig mac, maty aho vavoniko iny !
Aoka re ! aoka re ! Aoka

Ref. : ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 3084
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Bditra
Tamin'ny : 27/08/2008 14:19:39
ID : 5354

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo