Erick Manana

Nampiditra Heriniaina
21/10/2001 13:45
Hiran'i Erick Manana 63 Jereo eto
Vangy : 34039
Mpankafy : 4 Ankafizo
RAFILIPOMANANA Erick no tena anarany.Tany Fianarantsoa izy no teraka tamin'ny 1959.Capricorne hono no "signe astrologique"ny.Ny fanatanjahatena no tena nahalalàna azy tany amboalohany(Athletisme,Basket...) nefa
niha nahazo toerana teo amin'ny lafiny zavakanto izy nanomboka tamin'ny nidirany tao amin'ny tarika Voamaintilany(Lycée Gallieni),ny namelomany ny hiran'i RAZILINAH ary indrindra indrindra ny nidirany tao amin'ny LOLO SY NY TARINY.Kihon-dàlana lehibe teo amin'ny fiainany ara-javakanto hono ny nidirany tao amin'io tarika io nefa kisendrasendra no nahalalany an'i Lolo.I Mick mpanao baolina hono no tena naman'i Lolo.Naman'i Erick koa i Mick dia i Mick no nitondra an'i Erick tany amin'i Lolo.Dia nanomboka teo ny tantara.
Taty aoriana anefa dia nangingina ny LOLO SY NY TARINY.I Erick koa tetsy andaniny nanao conservatoire no sady nanaraka an'i Graeme ALLEWRIGHT.
Taona vitsivitsy taty aoriana dia nikopak'elatra ny lehilahy ka nandeha irery.Tsy i Erick RAZILINAH intsony izy nanomboka teo fa Erick MANANA amin'izay.Tsy tonga dia "succès" anefa izy rehefa nandeha irery fa mbola nizaka ny vesatr'i RAZILINAH sy LOLO SY NY TARINY.Tsaroko tsara rehefa mijery Erick MANANA tany amin'ny taona 1993-1994 tany fa tsy dia ny hirany loatra no tena nankafizin'ny olona fa ilay RAZILINAH sy LOLO SY NY TARINY eny antsefatsefany eny.Tsy nifanandrify mantsy ny filan'ny mpanjifa sy ny vokatr'i Erick tamin'izany fotoana.
Rehefa nanangana ny FEO GASY niaraka tamin'i tpkl RAKOTO Frah(izay sakaiza mahatokiny)izy vao nanomboka tena tsapan'ny olona amin'izay ny zava-bokariny.
Rehefa namoaka ireo hira hoe "TSY FERANA" sy "TAMBAZAKO" izy dia tsy tana intsony fa ranovaky amin'izay.Mbola azontsika hamarinina izany fahombiazany izany amin'ny lazan'i "MITSONIKA AMINAO".
Dia izay sy izay ary ny momba azy ry mpamaky hajaina

Hevitra momba an'i Erick Manana

bozimanga (29/09/2005 14:59)
mba misy afaka manome ilay tonon -kiran 'i eric manana hoe: VONINKAZO ADALADALA INY VE DIA MISAOTRA MIALOHA EH

Hiran'i Erick Manana (63)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115