Tamboho (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Revirevinay taloha, mihirahira eo ambony tamboho.
Guitara vaky no hifandimbiasanay eo,
Malaina ery ny hifandaho, maraina vao misaraka...

Revirevinay taloha, misotrosotro eo ambony tamboho
Rehefa madiva ho faty masoandro
Mirongatra ny vinany, de teraka eo ilay hira vao...

Homehy irery aho mahatsiaro
Irony hatanorana zalahy
Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
Antitra ihany ity...ny farany a!

Revirevinay taloha, mikaoty sipa eo ambony tamboho
Miandry izay hiravahan'ny mpianatra
Dia manadàla anareo...Andriambavilanitra.

Revirevinay taloha, mivangabao eo ambony tamboho
Ny fiainana no mba nampianatra any
Ny soa, ny ratsy, ny fady...Tapitra nolalovanay.

Homehy irery aho mahatsiaro
Irony hatanorana zalahy
Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
Antitra ihany ity...ny farany ah

Ô ry akamako taloha,
Rahoviana indray no ho eny ambony tamboho?
Hisary adala faramparany a!
Fiainana ity efa fohy... ka asio fiverenana(x3)
--------
Rohy:
Hevitra
Todisoajosoa ( 26/07/2022 20:29)
Izaho dia tena mankasitraka ary misaotra ny mpamorona ity pejy ity.
Misy toro-hevitra raha mety azafady: sao mba afaka ampidirina ao amin'ny www.megalobiz.com ireo hira malagasy ato, atao fichier "lrc", tanjona ny mba afahan'ny application music player misy tononkira mi-scroll eo ampihainoana mp3, dia asiana miniature tahaka izao manaraka izao,

?[ar:Erick Manana]
[al:music]
[ti:Tamboho]
[by:]
[offset:500]
[00:39.680]Revirevinay taloha, mihirahira eo ambony tamboho.
[00:49.430]Guitara vaky no hifandimbiasanay eo,
[00:54.470]Malaina ery ny hifandaho, maraina vao misaraka...
[01:07.140]Revirevinay taloha, misotrosotro eo ambony tamboho

[01:17.850]Rehefa madiva ho faty masoandro
[01:22.380]Mirongatra ny vinany, de teraka eo ilay hira vao...
[01:35.040]Homehy irery aho mahatsiaro
[01:40.060]Irony hatanorana zalahy
[01:45.340]Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
[01:51.190]Antitra ihany ity...ny farany a!
[01:58.690]Revirevinay taloha, mikaoty sipa eo ambony tamboho
[02:08.170]Miandry izay hiravahan'ny mpianatra
[02:12.390]Dia manadàla anareo...Andriambavilanitra.
[02:20.390]Instrument.....
[02:47.020]Revirevinay taloha, mivangabao eo ambony tamboho
[02:58.570]Ny fiainana no mba nampianatra any
[03:02.160]Ny soa, ny ratsy, ny fady...Tapitra nolalovanay.
[03:14.060]Homehy irery aho mahatsiaro
[03:19.170]Irony hatanorana zalahy
[03:25.640]Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
[03:29.900]Antitra ihany ity...ny farany ah
[03:37.250]Ô ry akamako taloha,
[03:41.980]Rahoviana indray no ho eny ambony tamboho?
[03:48.500]Hisary adala faramparany a!
[03:53.400]Fiainana ity efa fohy... ka asio fiverenana(x3)

Misaotra tompoko.
hery ( 31/07/2022 07:28)
Misaotra anao.
Tsara kosa.. Mila hay izany ny hira dia mila mahay ny rythme sns
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 42311
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : bibinou
Daty : 07/10/2009 15:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716