Zaza Mpandany (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Nisy le(hi)lahy nantsoan'ny zanany e, hizara fananana a)
Le(hi)lahy izay mpanankarena, nananjanaka roa lahy)
Omeo ahy ny anjara lovako ô, hoy ty zandriny a)
Nandao ny Rainy ty zazalahy, ka lasa nisitaka) (Indroa)

Zaza Mandany!
Nandany ny anjarany tamin'ny filibana ilay zazalahy
Zaza Mandany!
Nigoka, nifoka, niloka sady nisotro ô oh... e ia
Zaza Mandany!
Nanao fiainana tamin'ny vehivavy janga,ty razazalahy
Zaza Mandany!
Ka tsy nisaina akory, izay mba hiafarany..mmhhh...

2. Ela ny ela ka ritra ihany e, ilay fananana a (ritra ihany ilay fananana)
Nisy mosary lehibe, tamin'izany tany izany (tamin'izany tany izany)
Tonga saina anefa ra-namana a, ka tapa-kevitra a (tonga saina ka tapakevitra)
Hiverin-dalana hody any an-tranon-dray, hifona hibebaka a

Ref :

Tsy mendrika ny hantsoina ho zanakao, intsony aho Dada ô!
Fa ataovy toy ny anankiray, iray amin'ny mpanomponao
Fa nanota teo anatrehanao, sy ny lanitra aho ry Dada ô, ô ô ô
Mifona mivalo aho, raiso ty mpanomponao


Mifona mivalo aho... Raiso ty zaza mpandany

Fa misy fifaliana lehibe any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka
Fa izy dia very ka hita indray, ary maty ka velona in day.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)
Vangy : 592
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fenosambatraelyse
Daty : 02/09/2021 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727