Fitia ho Anao (Do Rajohnson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FITIA HO ANAO

Inty anie aho hanome fitia ho anao
N’inona hanjo dia izay aloha no efa ao am-po
Na ho orambaratra hitraho
Na alahelo anatiko ao
Izay aloha no atrehantsika roa

Na maro aza ireo nanakantsakana
Ny antsika roa, ilay fitia no abahana ato am-po
Hanaratsy antsika izy ireny
Fitiavantsika anie tsy ho leo
F’izay tonga eo hatrehantsika roa

Ref: Fa tia tsy afaka intsony
Haratra ny fo raha hisara-droa
Tsy hifandao tsy ho kilalao
Maika ny ho eo anilanao
Ny tiako ho tsapanao mitoetra
Am-poko ao, ’lay Fitia efa ho anao


Do Rajohnson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Do Rajohnson
Vangy : 27216
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raygasy
Daty : 07/08/2006 20:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112