You are here: home > Tononkira > Daniel RANOASON

NY FIFANKATIAVANAY (Daniel RANOASON)

Dô dia F

1-Maminay loatra re ireo torolàlana
‘Zay nomenao anay, ry Jeso Fitiavana
Olom-boafidinao sady irakao ‘zahay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!

Isan’andininy:

Ny fifankatiavanay no hahalalana
Sy hahafantaran’ny olona fa mpianatrao‘zahay
‘ Zany no toetra soa hanehoanay fahazavana
Eto anivon’nyTsiky dia ampy tontolo iainanay!

2-Anoloan’ny asa izay anirahanao anay
Dia ny firaisan-kina no liana anananay
Didy vaovao Jeso ny ifankatiavanay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!

3-Fifaliana ho anay, ry Jeso Mpanjakanay
Ny hanoa sy hankatoa ‘zay atoronao anay.
Nefa koa aok’Ianao hiara-dàlana aminay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!

Dany RANOA 2008

Mpihira : Daniel RANOASON
Mpamaky : 207
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : FanjaAndriamanoa
Tamin'ny : 24/05/2020 16:26:12
ID : 12765

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo