HIZORAKO (Daniel RANOASON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dô dia A

1-Ny làlana izay anirahany ahy
Dia hizorako
Na sarotra sy mampahàna ary koa hampanahy
Dia hizorako
Fa izaho dia efa nampiomanin’i Tompo (Jeso )
Ka nilazany hoe: tsy ho mora tsy akory ny hanarahako Azy!
( manantena aho)

Isan’andininy:

Fa raha ho avy ny andro hiverenan’I Jesoa
Satria
Tsy maintsy ho tonga tokoa ‘lay androm-pitsarany
Dia mino aho,
Fa ny fiaretako eto an-tany
‘zay mampirotsaka ny ranomaso
Hisolo antema sy feo fihobiana!
Manantena aho
F’ilay tanjona dia ho tratrako tsara
Satria ‘zaho koa ho mpanompo,
Mpanompo tsara sy mahatoky!

2-Ny làlana izay nanirahany ahy
Dia hizorako
Na hampitondra fahoriana ‘zay hampitomany
Dia hizorako
He, ny teny feno toky nambaran’I Tompo (Jeso)
Dia tena inoako fa mbola ho avy ilay fotoana hijinjako ny soa!
( manantena aho)

Dany RANOA 1982
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Daniel RANOASON
Vangy : 451
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FanjaAndriamanoa
Daty : 24/05/2020 18:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891