You are here: home > Tononkira > Daniel RANOASON

AMPANEKEO (Daniel RANOASON)

Dô dia F

1- Ampanekeo ny fitondranao ho mahasoa
Izahay ry Tompo Andriamanitray, ry Ray Tsitoha !
Ampanekeo ny sitraponao  tokoa tokoa
Izahay raha safotry ny zava-manjo !

Isan’andininy:

Dia aok’ho tsapanay, ry Ray, ny tananao mahery
Izay manafosafo manasitrana ny fery,
O! mba ataovy velon-tsoratra ao anatiko ilay Fitiavanao
‘ZayTsiky dia ampy tsy miova no sady tsy mandao

2-Ampanekeo ny Famonjenao tsy miafina
Izahay ry Jeso Tompo tena tia sy masina !
Ampanekeo ‘lay fahefanao izay mahay
Mampitony ny onjan-dranon’ny fiainanay!

3-Ampanekeo ny fitsapana mihatr’ety…
‘Zany tenako na dia malemy aza, Jeso tia !
Ampanekeo ny fisedrana atolotrao
Mba hahazaka ny hazofijaliako izao!

Dany RANOA 1990

Mpihira : Daniel RANOASON
Mpamaky : 276
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : FanjaAndriamanoa
Tamin'ny : 24/05/2020 16:26:17
ID : 12764

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo