Tsisy tsiny (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika mifankahala mifampijery toa vahiny e
Nefa anie malala mba nifankatia fahiny tsisy tsiny e, tsisy tsiny ny amin'iny e
Tonga ny lainga sy ny fitaka ny toky dia ny dina e
Zary saritaka ny fo novangiany tsisy tsiny e, tsisy tsiny ny amin'iny e
Saingy ny ankizy eo afovoany tsy hay izay hadisoany
Tsy hainy ny hataony mikorontana ny fony tsy inoany, hoe tsy nifankatia intsony
Ianao mandrirotra ankavia izaho misintona ankavanana
Iza no harahiny sy hotoloran-tanana
Tsy azo avahana, samy tiany ho arahina

Jereo ireto zaza manao izay hidivirana
Leon'ny vazavaza ato an-trano tsy azo idirana, sahirana toa tsisy andry hifikirana
Aleony mirenireny ato an-trano andosirana
Na ray na reny tsy ahitana mangirana, sahirana toa tsisy andry hifikirana
Isika no tia tena manao ny hadalana
Ny menakin'ny aina no zary mihanahana
Tsy tamana, manahy izay hiafarana
Isika indray no gagagaga manao hoe indrisy rehefa injay ny zaza mandao lala-mahitsy
Tena tsy izy ny mahazo ny ankizy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dadah Rabel
Vangy : 1223
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsirifara
Daty : 28/07/2020 11:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4827