Rakitra tadidy (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na aiza aleha n’inoninona atao
Toy ny mandre sy mahita anao
Ny fo sy ny saina no zary manjenjena
Mahonena
Mijery ireo toerana nitositosiana
Ny voary izay manerana aolo sy gina
Ianao notadiavina sy nantenaina
Zary mangaina

Fa fo marary ovana
Resy tsisy fiarovana
Zary torovana
Tsy adino fa mitoetra
Ny momba anao rehetra
Mahery setra

Mitady ny tananao hofihinina
Mila ny sandrinao iankihinana
Ireo teny mamy sy ianao mihomehy
Tsisy ree!
Ny masoandro mitsiky toa zary mandatsa
Ny alahelo mikiky toa mila tsy ho zaka
Ny fo no mivonto manery ny tratra
Maratra

Mba mihezaka ho mafy
Izaka ny ora-mifafy
Saingy ratsy fitafy
Fa anindry fo
Manantena fa ny taloha
Tsy ho lo

Ny ririnin-dasa no tsy tiana ho tsaroana
Ny fitia mahazatra tsy maty vonoina
Izakana mangina hazo fijaliana
Ny olon-tiana
Ka na mafy ny manjo dia tsy maintsy ho zakaina
Anatanjaka fo ary tsy ho be taraina
Ka na ny hafa aza no mahasambatra azy any ho any
Ho tiana ihany

Voafidy tao anatin’ny betsaka
Ka na inona etraketraka
Ampo no aoka ipetraka
Na itondrako irifiry
Ho tondrahako haniry
Ankadiry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dadah Rabel
Vangy : 699
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : traoelijaona
Daty : 27/04/2022 19:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992