RAHA TOA AHO KA NISAINA 0021 (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha toa aho ka nisaina
Ny andro lasako Jeso
tsaroako fa nijaly aho
Fony tsy nahalala anao
He mitamberimberina ao an-tsaiko lava izao
Ny ota sy ny ratsy rehetra izay natao

Fiv. Onena ahy ianao
Ka nandray ny tanako
Namerina amiko indray ny fiadanako
Ka ny fijaliako hatrizay tsy hotsaroako
Fa efa miandrandra anao Jeso ny foko

2. Endrey izany izaho nanara-tsitrapo
Tsy nahalala akory fa ianao mahita ahy
Ka dia nihevitra aho fa olon-tsambatra tokoa
Ny nofo hay no faly fa ory ny fanahy

3. Indrisy meloka aho tsy mendrika anao
Kanefa avelao aho hanonona ny anaranao
Fa sao aho mba mahazo Famonjena avy aminao
Ekeo aho Tompo o, hanaradia anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Vangy : 481
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 05/11/2020 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062