Mpandresy (Asafa KTLM Benivary)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Iaraha-mahalala izao fa mafy ny adim-piainanaoMafy sady sarotra tsy mba misy izay hitarainana
Sento lava sy toreo no indreo fa miverimberina
Aza kivy mitrakà ianao ny Tompo no momba anao
Refrain
Mpandresy ianao , mpandresy ianao miaraka am'Ilay Ray
Na mafy aza ny ady atrehanao tsy ho mandrakizay
Apetrao Amin'ny Ray ireo olana mavesatra mamay
Matokia aza manahy fa Izy no hiady ho anao
2- Tsarovy fa na mafy ny adinao
Tsy handao ny Ray
Ilay Jesosy sanatria tsy hanary anao
Tsy handao, tsy handao
Fa Izy no hiady ho anao, fa ianao kosa hangina
Hanampy anao ny Ray
Refrain.......
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Asafa KTLM BenivaryVisites : 106
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : SainaRH
Date : 13/06/2025 19:27
