TSY HANGOZOHOZO (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa Tompon' ny Tompo, Mpanjaka ny Mpanjaka
Ianao ilay Andriamanitra, Jehovah no inoanay
Na ho enjehina, hampahoriana
Ny amin'i Jesoa, izaho tsy hihemotra fa hiroso hatrany

Tsy hangozohozo ny finoako Anao Jesoa
Satria Ianao ilay vatolampy hiorenan'ny finoako
Tsy hahatahotra aho satria manana Anao

Izaho ilay natsanganao ho zanakao, nanaovanao fanekena
Fa ho adidinao hatrany, Matoky Anao
Na inona aza fananako eto an-tany tsy ahoako
Jesoa no fiainako, tsara no tokiko

Tsy hangozohozo ny finoako Anao Jesoa
Satria Ianao ilay vatolampy hiorenan'ny finoako
Tsy hahatahotra aho satria manana Anao

Fa mafy orina aho, ka hiroso hatrany ny dia
Na tafiotra sy rivo-doza aza, tsy hampihemotra ahy
Manana Anao aho Ray, Hamaharako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APF TANGAINA
Vangy : 71
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nomenasyaina
Daty : 03/03/2025 09:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1299