Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy Hangozohozo (APF TANGAINA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa Tompon' ny Tompo, Mpanjaka ny MpanjakaIanao ilay Andriamanitra, Jehovah no inoanay
Na ho enjehina, hampahoriana
Ny amin'i Jesoa, izaho tsy hihemotra fa hiroso hatrany
Tsy hangozohozo ny finoako Anao Jesoa
Satria Ianao ilay vatolampy hiorenan'ny finoako
Tsy hahatahotra aho satria manana Anao
Izaho ilay natsanganao ho zanakao, nanaovanao fanekena
Fa ho adidinao hatrany, Matoky Anao
Na inona aza fananako eto an-tany tsy ahoako
Jesoa no fiainako, tsara no tokiko
Tsy hangozohozo ny finoako Anao Jesoa
Satria Ianao ilay vatolampy hiorenan'ny finoako
Tsy hahatahotra aho satria manana Anao
Fa mafy orina aho, ka hiroso hatrany ny dia
Na tafiotra sy rivo-doza aza, tsy hampihemotra ahy
Manana Anao aho Ray, Hamaharako
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : APF TANGAINAVisites : 157
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nomenasyaina
Date : 03/03/2025 09:18
