Saintsaino (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Saintsaino sy diniho hoe tsy hisy intsony ny ady
Eritrereto hoe ho foana ny fifandrafiana
Raha misinda, miravona ny olana mianjady
Ka hiakan'aravoana no hifamaliana

Tsy hisy intsony ny hoe jaly
Tsy ho re intsony izay tomany
Dia havitrika isika handroso
Ary hitempo ny fo falifaly

Ref. Tsy hoe nofinofy na hoe rediredy
Na koa adalana mampisomebiseby
Fa fanantenana manainga hampitraka
Arahim-bavaka hatrany tsy hampiambakavaka

II. Tombano hoe very hanjavona raherisetra
vinavinao hoe tsy misy rafitsitokotokoana
Raha hevitra iray no iraisan'ny rehetra
Ka hira fiderana no ifampilantoana

Tsy hisy intsony ny mosary
Tsy hisy ny ambony sy ny ambany
Ny fitiavam-bavaka hivoatra hatrany
Ary hitempo ny fo falifaly

III. Hevero hoe tsy eo intsony izany disadisa
Fakafakao hoe ho rava avokoa ny fifandaniana
Raha toe-tsaina madio no ho enti-mamisavisa
Ka ny alahelo sy ny toloko, hisolo hafaliana

Tsy hisy intsony ny hirifiry
Tsy ho tsapa intsony ny hoe marary
Dia handry fahalemana ny tany
Ary hitempo ny fo falifaly

© Vetson'i Siona 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 589
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 24/09/2020 07:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748