'Ndao hiantsa ny Tompo (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

Ref: Eh, 'ndao hiantsa ny Tompo
Avia, hiarak'hidera
Eh, 'ndao hiarak'hioby
Avia, Malakilakia

I. Ô ry manan'aina manantöna
Tsy misalasala avia mandrosoa
Fa zava-dehibe loatra mantsy ho antsika
Ny famindram-pony sy fitiavany
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo

II. Ataovy feo manga dia manga tokotononkira.serasera.orga
No entinao miantsa an'ilay Tomponao
Ny zava-maneno arahin-damako
Rodony hanako eran'ny vazan-tany
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo

III. Fihetsika kanto mirindra sy soa
Arahana dihy milanto mora
Izany no soa sy kanto indrindra
Fa tsara loatra endrey ny Tompontsika
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo


© Vetson'i Siona

Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Mpamaky : 387
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Avotra23
Tamin'ny : 03/10/2020 11:03:41
ID : 13077

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo