Indro fa nisava ny haizina (Noely) (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Indro fa nisava ny haizina
Ka nanjelatra ny tany
'Nefa alina aok'izany
Horakora-pahatairana
No nanako sesilany

Feon'anjely marobe, no nihira mafy hoe
Voninahitra anie, ho an'ny Ray ao ambony
Fiadanana anie ho an'ny olona ety!

II. 'Reo mpiandry ondry teny an-tsaha
Vao nandre ny antsoantso
Dia nahafoy ny torimaso
Ka nitsaoka Ilay mpamonjy
Tao anaty tranon'omby

Teny an-dàlana mankany, dia nihira hatrany hatrany
Voninahitra anie, ho an'ny Ray ao ambony
Fiadanana anie ho an'ny olona ety!

III. Alina masina, miavaka
Io alina io
Ka mba tadidio
F'efa teraka ho anao
Sy ho an'izao tontolo izao

'Ly mpamonjy tena soa, Izay antsoina hoe Jesoa
Voninahitra anie, ho an'ny Ray ao ambony
Fiadanana anie ho an'ny olona ety!

© Vetson'i Siona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 594
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 24/09/2020 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.513