VONTOSY FILAZANTSARA (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Izaho mino ianao mino
Tadidio f’aza adino
Iraka isika eto an-tany
Mandehana fa ny Tompo no miandry an’zany
x2

Ô!ô!ô!ô! Isika dia manana anjara
Ô!ô!ô!ô! Ny hitory ny Filazantsara e
Ô!ô!ô!ô! Mba ho mpanompo mazoto
Ô!ô!ô!ô! Ho vavolombelon’ny Tompo

Réf :Koa mandraisa anjara
Afafazo ny voa tsara e
Vontosy Filazantsara
I Nosy Madagasikara

2. Isika tokoa dia nomena
Ny amboaram-pahendrena
Dia mizarà ho an’ny hafa
Mba hahitsy fa tsy hivily lalan-kafa
x2

Ô!ô!ô!ô! ‘Ndao fenoy ny herin’ny vavaka
Ô!ô!ô!ô! ‘Ty tany soa zay malalantsika e
Ô!ô!ô!ô! ‘Ndao ry mpino tsy an-kanavaka
Ô!ô!ô!ô! Hamonto Filazantsara isika e

Réf :Koa mandraisa anjara
Afafazo ny voa tsara e
Vontosy Filazantsara
I Nosy Madagasikara

A&C: Falihery Jaona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 792
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 26/06/2019 15:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1294