NY FINOANA (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Manam-pinoana ianao Araho asa soa, iaino koa
Ampanjakao anatinao
‘Lay mahery Jesoa Tompo soa
Ny fahendrena anananao
Tsy avy amin’olombelona
Fa hanitra tsara ho anao
‘Zay avy amin’Andriamanitra
Ref:Ny finoana, fahendrena
Tsy an-tery na noterena
Fa vokatry ny fo madio sy mora
Tsy am-pihatsarambelatsihy
Sady tia fihavanana
Ary ombam-pahamarinana
Fahendrena mora alahatra
Avy amin’Andriamanitra
2.Na manam-pahendrena
Sy manam-pahalalana ihany koa
Nefa ny fitondran-tena
Tsy araka ny làlan’ny Tsitoha
Manjaka ny fialonana
Sy fifampiandaniana ao am-po
Reseo am-pitiavana
Araho tsiky sy famindram-po
Ref:Ny finoana, fahendrena
Tsy an-tery na noterena
Fa vokatry ny fo madio sy mora
Tsy am-pihatsarambelatsihy
Sady tia fihavanana
Ary ombam-pahamarinana
Fahendrena mora alahatra
Avy amin’Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIAVangy : 1259
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 08/08/2017 21:37